Actualités

Sampana mpamantatra ny toetr’andro Hanentana ny ankizy momba ny fiarovana ny tontolo iainana


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Tokony ho efa hahazo ranon’orana isika eto an-drenivohitra nanomboka tamin’ity herinandro ity raha ny fanazavan-dRandrianarivelo Maminirina, tompon’andraikitry

 

ny serasera eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Hatramin’ny omaly anefa, tsy mety latsaka izany noho ny loto be miparitaka etsy sy eroa, ny doro tanety ary ny fandorana biriky mahazo vahana eto amintsika. Tsy maintsy hanao hetsika noho izany ny sampandraharahan’ny mpamantatra ny toetr’andro sy ny fikambanana Patrakala  ka hisy ny fanentanana sy fampianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora momba ny  fanajana sy ny fiarovana ny tontolo iainana manomboka izao. Ao anatin’ilay herinandro ho an’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro izay hotanterahiny ny 14 ka hatramin’ny 18 Novambra ho avy izao no hanatontosany izany. Hosantarina avy hatrany amin’ny fambolen-kazo hotanterahiny miaraka amin’ny mpianatra izany ny alakamisy ho avy izao, hetsika hotanterahina eto an-drenivohitra ihany. Tanjona ny hampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana mba hilatsahan’ny ranon’orana eto an-drenivohitra ara-potoana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT