Tsy any amin’ny sampandraharaham-panjakana ihany no andrenesana kolikoly isan-karazany fa hatrany amin’ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana.
Nambara hatramin’izay fa natao ho an’ny zana-bahoaka mahay sy vonon-kiezaka ny anjerimanontolom-panjakana saingy tsy izay intsony no misy, raha ny fitarainan’ny mpianatra maro, toy ny ao amin’ny sampana lalàna, ao amin’ny oniversiten’Antananarivo. Misy amin’ireo mpianatra mantsy no mitaraina noho ny fahatsapan’izy ireo toe-javatra hafahafa momba ny naotin’izy ireo. Na miezaka araka izay fara heriny aza ireo zanak’olona tsotra dia maro no tsy afa-panadinana, raha ny fitarainana azo. Misy mividy sy mampifamadika ny naoty, hoy hatrany ireo mpianatra, ka very momoka ny ezaka natao. Misy amin’ireo zanak’olona ambony, izay voalaza fa zanaka mpitsara ny ankamaroany anefa no zara raha tonga manao fanamarinam-pahatongavana, kanefa afaka soa aman-tsara amin’ny fanadinana izay atao. Nomarihin’izy ireo anefa fa tsy azo inoana mihitsy hoe mpianatra zara raha manatrika 15 minitra isaky ny fampianarana kanefa afaka soa aman-tsara, kanefa izany no miseho. Mangataka ny fangaraharahana ireo mpianatra izay velon-taraina mba ho tena ny ara-dalàna sy ny ara-drariny no hampiharina fa tsy kitranoantrano, izay midika fa fanilihana ny madinika hatrany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.