Actualités

Sammy Rastafanahy Marary mafy any Mahajanga


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Niditra hopitaly efa ho herinandro ao amin’ny hopitalibe Androva Mahajanga i Sammy Rastafanahy.

Manana toe-batana diabetika izy, saingy miaro aretin’ny fo indray izany ankehitriny. Mafimafy ny aretina, miaina miaraka amin’ny oksizena izy, araka ny fanazavan’ny fianakaviana (0320296900) akaiky azy. Raha ny toromariky ny dokotera dia tokony hakarina aty Antananarivo i Sammy hanohy ny fitsaboany, saingy noho ny enti-manana ara-bola dia tsy mbola tontosa izany.

Mpanakanto malagasy isany miaina sy mivoy ny filozofia rastafarisma i Sammy, ary nakany anarana Rastafanahy rahateo. Namondrona anaty fikambanana ireo mpivoy ny hira reggae ihany koa izy. Isan’ny hira ahafantarana azy ny « Reggae feom-bahoaka », « Ampianaro ny zaza », « Aiza ny tanteliko teto ».

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT