Actualités

SAMIFIN Nesorina ny DG Zaranaina


  • Zoma 25 Martsa 2016

Nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly teny Iavoloha ny Tale jeneralin’ny Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiam-bola sy ny Fampihorohoroana (SAMIFIN), Dr Zaranaina Jean Claude

 

. Omaly ihany dia voatendry ny mpisolo toerana azy dia i Lamina Boto Tsara Dia, izay mpanolotsaina teknika teo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco).

Tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nananganana ny SAMIFIN. I dokotera Zaranaina Jean Claude no tale jeneraly voalohany tao, nisahana io andraikitra io nanomboka tamin’ny febroary 2008.

Tamin’ny 18 febroary 2016 lasa teo izy, no nanolotra ny tatitry ny asa nataon’ny SAMIFIN nandritra ny taona 2014. Nandritra izany koa no nilazany fa na eo aza ny tsy fahampian’ny fitaovana hiasana, dia nahatratra 197 ny fitanana an-tsoratra nalefan’izy ireo any amin’ny Fampanoavana noho ny tsy fanarahan-dalàna hita tamin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT