Sambo kely mpitatitra olona sy entana avy any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Fetraomby sy Brikaville no dobo eo akaikin’ny tanàna kely antsoina hoe Vinany efa akaiky tsy ho tonga ao Brikaville.
Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora no nisehoan’ny loza. Maty tampoka ny motera nitondra ilay sambokely ka izany no nampilentika azy. Ny vesatra nentiny koa araka ny vaovao voaray dia tafahoatra be kanefa tokony ho 2 taonina ihany no zakany. Omaly ihany dia efa nanomboka nikaroka ny razana tany anaty rano ny tao an-tanànan’i Brickaville taorian’ny fanatontosana ny fomban-drazana fanao amin’ny tranga toy izao.Io omaly antoandro io dia vatana mangatsiakan’ny zazavavy kely iray telo taona no hita. Olon-dehibe roa kosa no nisy nahafantatra fa nitaingina ity laka-motera ity ka mbola tadiavina. Ny tena olana ho an’ireo mpikaroka an-toerana ihany koa dia ny tsy fahafantarana mazava ny isan’ny olona nandeha tamin’ity sambokely mpitatitra ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.