Nifanenjehana tany amin’ny fari-dranomasina Maroantsetra – Sainte Marie omaly tontolo ny sambo vahiny nitatitra andramena avy eto Madagasikara.
Zandary avy amin’ny GSIS avy eto Antananarivo nanenjika ka nampiasaina avokoa na vedety na angidimbin’ny tafika nanenjehana ilay sambo. Niainga tao Maroantsetra ity sambo vahiny mpanao trafikana andramena ity ka vao naheno ny vaovao ny mpitandro ny filaminana dia nandray ny andraikitra nanara-maso izany ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy teny afovoan-dranomasina izao. Izany sambo mitondra ny anarana “Men Phen” izany ity tratra nitondra andramena antsokosoko tratra ity. Tsy mbola hay kosa ny isan’ny andramena ao anatiny sy izay tompony, fa miankina amin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana izany. Raha ny zava-nitranga aloha dia tokony ny fiadidian’ny fitsarana ambony ao Toamasina no hisahana ny raharaha, nefa raha amin’ny maha-nasionaly ny raharaha dia mety hifindra eo anivon’ny fiadidian’ny fitsarana ambony eto Antananarivo izany. Tamin’ny ora nanoratana ny vaovao dia eo ampitarihana ny sambo hiazo ny seranan’i Sainte Marie ireo nahatratra azy, ka ho hita eo ihany ny ho tohin’ny raharaha, izay iangavina mangaraharaha tanteraka amin’ny fanjakana sy ny fitsarana ary ny mpitandro ny filaminana, hialana amin’izay bizina hafa hitranga sy kolikoly avo lenta ao ambadiky ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.