Actualités

Sambo rendrika tany Marovoay Fatim-behivavy 3 no hita


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Tafakatra telo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny isan’ireo faty hita tany Marovoay nandritra ny faharendrehan’ilay sambo Amboara tany an-toerana ny talata lasa teo.

Raha tsiahivina, sambo hihazo ny kaominina ambanivohitra Marotsandry ity rendrika ity, namakivaky renirano iray lehibe any an-toerana hifangaroan’ny ranomasina sy  ny ranomamy. Olona 80 no tao anatiny, araka ny vaovao azo niampy karazan’entana an-taoniny maro. Noho ny herin’ny rivotra efa ho telo andro izao no voalaza fa  naharendrika azy. Efa mitady ireo olona ambiny sisa tavela moa ireo  tompon’andraikitry ny APMF any an-toerana ankehitriny. Miisa 28  kosa ireo fantatra fa velona, efatra miady amin’ny fahafatesana. Tsiahivina fa tamin’ny talata ihany dia efa hita ny fatin’ireo vehivavy roa ary omaly antoandro ny vatana mangatsiakan’ny iray, tovovavy vao 18 taona monja. Tsy mbola nandrenesam-baovao kosa ireo mpandeha  ambiny sisa.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT