Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.
Araka ny fanazavana marim-pototra voaray dia ny fanaovana “soudures” ny fitehirizana solika mampihodina ny sambo araka ny baikon’ny mpampiasa azy ireo no niteraka izao fipoahana sy firehetana tao amin’ity sambo ity izao. Nanao ny asany namonjy ny sambo ireo mpamonjy voinan’ny seranan-tsambon’i Toamasina ka tamin’ny 12ora no voafehy ny afo ary tsy may tanteraka ny sambo fa ny fanambaniny misy ny fitehirizana solika ihany. Nentina teny amin’ny hopitaly ireo naratra sy may, anisany ny tompon-tsambo nanome ny baiko sy nanara-maso ny asan’ny mpiasany. Noho ny fahavoazana be nahazo ny mpiasa iray dia maty ny tolakandron’io alarobia io tenany, arahi-maso akaiky eo anivon’ny hopitaly be kosa ny roa hafa izay tena voa mafy ihany koa, ary efa tsy misy ahiana kosa ny telo anisany ny tompon-tsambo. Raha ny fanadihadiana natao izay nohamarinin’ireo efa niharany dia sambo tsy mpanara-dalàna ny sambo “Nosy Mangabe” satria tsy sambany izao tranga izao fa tsy misoratra mihitsy amin’ny “cahier de bord” ny sambo. Tahaka ny mpiasa iray tapaka ratsan-tanana nefa tsy hita amin’ny tatitry ny tompon-tsambo izany. Manginy fotsiny ny fisoratana anarana eny amin’ny Cnaps nefa tsy misy ny fandrotsaham-bola ataon’ny tompon-tsambo ka mahavery zo ireo mpiasa maratra am-perinasa tahaka ity tapaka rantsan-tanana ity araka ny fanazavana voaray hatrany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.