Sambo iray efa tafiditra ao anaty lisitr’ireo efa tadiavina noho ny kolikoly boaderozy no tratra miantsona ao amin’ny sisin-dranomasin’i Antsiranana ankehitriny. Nandritra ny fisavana natao no nahafatarana fa malagasy no tompon’ity sambo ity na dia tera-tany Afrikanina miteny Anglisy avokoa aza no mpiasa ao aminy
. Voalazan’ireo mpiasa tao amin’ilay sambo moa fa lany solika izy ireo no mahatonga azy ireo mihaodihody manamorona an’Antsiranana. Ireo nanao ny fisavana no nanamarina fa efa anisan’ny sambo tadiavina noho izy mpanao trafikana boaderozy ity hita ao Antsiranana ity. Teo no ho eo ihany araka ny tatitra voaray dia nampandre ny APMF ireo tompon’andraikitra nisava ny sambo.
Fotoana fohy taorian’izay anefa dia nisy sambo kely hafa tratra nanatitra bolabolana boaderozy teo amin’ity sambo ity. Rehefa nanontanina indray ireo tao anaty sambo kely dia nanambara laharana an-taribin’ny tompon’andraikitra iray momba ny ala ao Antsiranana. Rehefa nantsoina indray ity farany dia nanda marindrano ary nilaza fa tsy misy zavatra fantany ny zava-miseho any amoron-dranomasina any. Ambetin-dresaky ny fanjakana hatrany ny hoe fiandrasana porofo mitohoka amin’ny tendany mba ahafahana manokatra fanadihadina ka anisan’izany ity tranga misy any Antsiranana ity ka ho hita eo indray raha tena hanokatra fanadihadiana lalina marina ny fitondrana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.