Actualités

Sambo mpanjono Malagasy Giazan-dry “Gilets Jaunes” ao La Réunion


  • Alarobia 20 Febroary 2019

Ny zoma 15 febroary teo no tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Port Ouest ao amin’ny Nosy La Réunion ny sambo mpanjono Malagasy "Ile Sainte-Marie Tamatave"

 

 

 misy tantsambo miisa 8, izay hivarotra sy hitsinjara ny trondro azony taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara amin’ny tsena Réunionais. Tsy navelan’ny mpanjono ao amin’ity Nosy kely ity nihetsika ao amin’ny seranan-tsambo anefa io sambo Malagasy io nanomboka ny zoma ary tsy afaka hatramin’ny nanaoratanay omaly satria ambara fa tsy misy fitsirihana ara-pahasalamana ny entana hoentin’izy ireo. Tsy misy fitazonana ofisialy fa mpanjono sy mpigrevin’ny “Gilets Jaunes” tarihin’i Yannis Latchimy mpitarika izany ao La Réunion no manao antsojay tsy hahafahan’ny sambo hiala ao Le Port.  Ambara ihany koa fa manao fifaninanana tsy ara-dalàna ireo mpanjono Malagasy izay giazana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ao Le Port ireo satria tsy misy fanenjehana sy fandrarana ofisialy avy amin’ny fanjakana. Etsy an-kilany anefa, efa 3 taona izay ny sambo “Ile Sainte-Marie” no nitondra trondro avy aty Madagasikara mihazo an’i La Réunion, ary mihodinkodina any isan-kerinandro satria ara-dalàna ny taratasy rehetra, hoy ny Kapitenin’ny sambo. Rehefa tafiditra soa aman-tsara ao amin’ny seranan-tsambo dia mitomboka hatrany ny haba. Misy trondro 2 taonina mahery ao anatin’ny sambo. Andrasana ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT