Amin’ny ankapobeny, tsara ny programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) natolotry ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, raha ny fanehoan-kevitry ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Tsihombe Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc tamin’ny fakan-kevitra natao taminy.
Zavatra tena mety sy ilaina any Atsimo ny fanamboarana ny làlam-pirenena RN10, RN13, ny nanafoanana ny fanondranana omby na velona na maty izay mampihena ny tsy fandriampahalemana, ny fanomezana rano fisotro. Ny fanatanterahana azy indray no lafiny hafa andrasana, raha ny fanehoan-keviny. Eo amin’ny fomba fiasa kosa, raha mandrafitra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny eo anivon’ny mpanatanteraka, mila midina aty amin’ny solontenan’ny vahoaka aloha manontany ny zavatra manahirana hatao amin’ity taona ity, hoy izy. Tsy hita ao anatin’ny PGE ny mahakasika ny harena an-dranomasina, tahaka ireo sambo 330 mahery manjono any amin’ny fari-dranomasina Atsimo sy Atsimo Andrefana iny, izay manao ampihimamba ny fananantsika. Tsy vitan’ny mandroaka ny trondro sy harena an-dranomasina fa mbola mangalatra ihany koa ny harena an-tanety, toy ny sokatra. Misy trafika betsaka hoentin’ilay izy, raha ny fanehoan-kevitry ny depiote hatrany. Raha tsy ao anatin’ny PGE, dia hoeken’ny fanjakana ve ny fipetrahan’ireo aty amin’ny fari-dranomasintsika ? Nasiany resaka ihany koa ny momba ny orinasam-panjakana, izay miha mandroso makany amin’ny “Tsara dia”, ka miha takona sy miha foana ilay “Air Madagascar”, kanefa ny kaompaniam-pirenena maneran-tany dia saika mitondra ny anaran’ny firenena, toy ny hoe: Air France, Air Maritius … ka manamaivana ny tanindrazantsika ny fanofana io na dia ekena aza, fa teny Malagasy ilay iray. Mila fandrindrana ihany koa ny sidina anatiny, raha ny heviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.