Olona manodidina ny 500 isa eo ho eo, mponina avy eto Antananarivo avokoa, no kasaina hoentina hodidiana ato ho ato any amin’ilay sambo lehibe sady hopitaly “Mercy Ships” miantsona ao Toamasina.
. Nanomboka omaly ny fijerena akaiky ireo olona mety hahazo tombony amin’izany, anisan’ireny ireo voan’ny aretina katarakta ankoatra ireo voan’ny fivontosana amin’ny maso na ilay antsoina hoe : “ptérygions”. Hifarana rahampitso io fitiliana manokana io amin’ity andiany voalohany ity etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ihany raha ny 20 ka hatramin’ny 23 janoary ho avy izao kosa ny andiany faharoa. Anisan’ny miara-miasa akaiky amin’ny Mercy Ships amin’ny fanatanterahana izany ny sampandraharaha misahana ny maso eo anivon’ity hopitaly ity. Nambaran’ny dokotera Raobela Léa tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity sampandraharaha ity fa anjaran’izy ireo ny manara-maso ny fahasalaman’ireo olona avy didiana aorian’ny fitsaboana hatao aminy raha ny Mercy Ships kosa no mandray an-tanana ny fitaterana ireo marary sy ny trano hipetrahany any Toamasina ary ny fandidiana azy. Ireo olon-dehibe mihoatra ny 65 taona no tena voakasika ho an’ny aretina katarakta
indrindra fa ho an’ireo hita fa tena mihena ny fahitany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.