Actualités

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolagnaro omaly talata 13 novambra ny sambo goavana na “paquebot” Europa 2, mitondra mpizahatany maro be.

 

 

 

 Mitondra mpizahatany 516 izy io, ka teratany alemana avokoa ny akamaroany. Niparitaka namonjy ireo toeram-pitsangantsanganana toy ny moron-dranomasin'i Libanona, Ankoba, tamin'ireo “réserves botaniques” ny ankamaroany. Samy nahazo ny tandrify azy ireo mpikarakara amin'ity sehatra iray ity na ireo mpanao fitaterana an-tanàn-dehibe na ireo “guides touristiques” na ireo mpivarotra taozavatra. Tamin'ity fotoana ity ihany koa no namerenana indray ny fahazoana mandeha eny amin'ny Pic saint Louis. Naato kely am-bolana ny fanehanana tao noho ny fandriampahalemana narisarisa. Mahaliana ireo mpitsangatsangana io toerana io. Ity Eoropa2 ity no paquébot faha-7 mety handalo an'i Ehoala amin’ny 2018-2019. Ny hariva ihany dia nandao an’i Fort Dauphin ireto teratany alemana ireto

O.M

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT