Actualités

Sambava Vaky ny adin’ny depiote sy ny Ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Vaky ambatolampy ny adin’ny Ben’ny tanŕnan’i Sambava Toto François (Leader Fanilo) sy ny depiote voafidy tany amin’ity Distrika ity, Mamangy Norbert na Jack (Trano Kasaka).

 

  Ampangain’itsy voalohany ho mampirisika ireo tantsaha any ambanivolo hamotika ala amin’ny fanaovana tavy hambolena ny depiote. Omaly aza, raha nandray fitenenana nandritra ny fanokafana ny fiofanan’ireo tompon’andraikitry ny zandary ao Sambava ny Ben’ny tanàna Toto François dia niantso ireo mpitandro ny filaminana ireto hisambotra an’io solombavambahoaka io. Loharanom-baovao hafa no manazava fa fijoroan’ny depiote Jack miaro ny tantsaha manoloana ny fitakiana vola ataona tompon’andraikitra avy amin’ny rano sy ala amin’izy ireo no misy mamadika ho fampirisihana ny mpamboly, izay efa mpivelona amin’ny tavy, handripaka ala.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT