Actualités

Sambava Hitarika olona hidina an-dalambe ny depiote


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2014

Mafana ny toe-draharaha any Sambava. Milaza ny hitarika olona hitokona ao amin’ny “parcage” taloha ao Antanifotsy ny solombavambahoaka Mamangy Norbert voafidy tamin’ny lisitra “Trano Kasaka” raha nivahiny tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray ao an-toerana ny alin’ny sabotsy teo

Hentitra ny teniny fa “efa tsy zaka intsony ny delestazy lavareny ao Sambava”. Tapaka manomboka amin’ny 2ora maraina ny jiro ary tsy miverina raha tsy amin’ny 3 ora tolakandro, ny kartie sasany aza mbola tapaka ny herinaratra eo anelanelan’ny 6 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina, tsy misy fanazavana na fampandrenesana mialoha. “Alefaso ny jiro, homena fotoana fohy ianareo Jirama fa efa ampy izay”, hoy i Mamangy Norbert. Ity farany izay nanao fanamarihana fa tsy mitsahatra miakatra ny faktioran’ny Jirama na zara fa mandeha aza ny jiro, ka nilazany fa ho fitsinjovana ny vahoka no hanaovany lakolosy fanairana amin’ity fidinana an-dalambe hotarihiny ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT