Actualités

Sambava Fôroches 2 voasambotra, lavanila 100kg voaroba


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Mandravarava ireo andian-jatovo tsy ampy taona ao Sambava. Ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 9 ora alina dia olona tratra hariva fodiana no lasibatr’izy ireo tao Ambodisatrana 2. Nisy niantso vonjy tany amin’ny polisy ka tonga ara-potoana ireto farany.

Raikitra ny fifanenjehana tamin’ireto andiana zaza maditra ireto ka nahatrarana ny roa tamin’izy ireo. Atao fanadihadiana izy ireo ankehitriny hamantarana izay ao ambadik’izy ireo. Fa io alatsinainy io ihany, tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany alina, dia tokantrano iray tao Ambatofitatra ao Sambava tampon-tanàna no notafihan’ny jiolahy mitam-basy. Telo lahy ireo mpanafika, ka ny iray ihany no nisaron-tava fa ny roa hafa nampiseho endrika. Efa tafiditra tao an-trano izy ireo no taitra ireto mpivady. Vavabasy avy hatrany no nitsena azy ireo, sady nitaky ny hanomezana ny vola. Tsy nitahiry vola tao an-trano anefa ny tompontrano ka lavanila sahabo ho zato kilao no lasan’ireo jiolahy. Lasa izy ireo vao afaka niantso vonjy ny tompon-trano. Efa dila anefa ireo jiolahy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT