Actualités

Sambaina Manjakandriana Fatim-behivavy efa simba hitan’ny olona


  • Zoma 07 Jona 2019

Fatim-behivavy iray no hitan’ny fokonolona tany Andraraody fokontany Mandimbisoa Kaominina Ambanivohitra Sambaina, distrikan’i Manjakandriana omaly.

 

 

 Efa fotoana elaela no nahafatesany ary efa nanomboka simba ilay razana. Niseho ny taolan-drajony havia satria toa lanin’ny biby. Tsy nisy taratasy na zavatra hafa nahafantarana azy moa teny amin’io razana io. Akanjo volomparasy sy pataloha miloko mena ny teny an-kodiny. Efa nalevin’ny fokonolona omaly hariva ilay razana. Tsy milamina ny tany ao Manjakandriana sy ny manodidina satria tena nirongatra ihany koa ny vaky fasana tato anatin’ny fotoana vitsy. Anisan’ny nahitana fasana vaky ny tao amin’ny tanànan’Ambohimahandry, manelanelana an’i Manjakandriana sy Sambaina ny talata 4 jona teo. Mpamaky fasana roa no efa voasambotry ny zandary hatreto, ary voalaza fa avy any Antsirabe izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT