Nosokafana nanomboka omaly teny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato, haharitra hateloana ny hetsika iraisam-pirenena momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny solitany, karakarain’ny ministera mpiahy izany eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika
. Ny tanjona dia ny hanamorana ny fifandraisan’ireo sehatra voakasika rehetra toy ireo orinasa mpamokatra solika sy harena an-kibon’ny tany eto amintsika hotronin’ny mpividy sy ny mpivarotra. Anisan’ny mpanohana ôfisialy ny hetsika ny banky BNI Madagascar izay manana tanjona hanampy sy hanohana ireo mpandraharaha, indrindra ho an’ireo vao misondrotra hahafahan’izy ireo manatontosa araka ny tokony ho izy ny tetikasany. Manana trano eva manokana any amin’ity hetsika ity moa ny Banky BNI araka izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.