Ny 12 ka hatramin’ny 15 novambra ho avy izao no hotanterahina etsy amin’ny parc expo Forello Tanjombato ilay Salon International de l’habitat andiany faha-17.
Raha araka ny tafa nifanaovan’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly dia miroso hatrany mankany amin’ny fahombiazana ny hetsika. Mitombo isa mantsy ireo mpandray anjara vonona ny handray anjara ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Nihoatra ny 60 %-n’ireo mpandray anjara tamin’ny taon-dasa no niverina indray ary vonona ny hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany entina hanampiana ireo mpitsidika. Voakasik’izany manokana ireo orinasa mpanamboatra trano, ireo mpamokatra sy mpikarakara loko, ny mpanao zaridaina, ireo mpanao fanaka…Fantatra omaly ihany koa fa anisan’ny manohana akaiky ny hetsika ny fitondram-panjakana entina hanohanana ireo mpandraharaha malagasy rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.