Nisokatra omaly ary haharitra roa andro ilay “Salon des études Superieurs” andiany faha-11 karakarain’ny Madajeune sy ny orinasa Telma.
Sekoly ambony mihoatra ny 50 isa no mandray anjara amin’izany, ahitana lalam-piofanana an-jatony izay natao indrindra hanampiana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea farany teo. Fahombiazana sahady ny andro voalohany omaly raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara noho ny hamaroan’ireo mpitsidika. Anisan’ny niaina izany ny sekoly ambony ASCOM etsy Analakely, raha araka ny fanazavan-dRahantarisoa Vololonirina, tompon’andraikitra voalohany ao aminy. Anisan’ny tombony manokana ho azy ireo mantsy ny fahalalany orinasa betsaka izay afaka mandray avy hatrany ny mpianany. Voakasik’izany ireo orinasa any ivelany izay efa niara-niasa tamin’izy ireo hatramin’izay. Vokany, miezaka hatrany ny sekoly amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitaovana hampiasainy. Anisan’izany ny laboratoire des langues, ny atelier, ny espace médiathéque mba hahafehezan’ny mpianatra ny teny vahiny sy ny informatika ankoatra ny lalam-piofanana rantovoiny. Ny mari-pahaizana DTS, ny licence ary ny master moa no mari-pahaizana omen’ity sekoly ambony iray ity raha lalam-piofanana miisa dimy no hita ao aminy dia ny gestion, ny agronomie, ny paramédicaux, ny informatique ary ny tourisme sy ny hotellerie.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.