Raikitra indray ny “Salon des études superieures” andiany faha-13 karakarain’ny Madajeune.
Ny 22 sy ny 23 septambra ho avy izao no hanatanterahana izany etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, handraisan’ireo sekoly ambony voafantina sy manana ny maha izy azy miisa 56. Hampiavaka ity andiany ity raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra ny fisian’ ilay « Guide des études et formations » andiany faha-15 entina hanampiana ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fitadiavana sekoly ambony hahafahan’ny zanany vao afa-panadinana Bakalôrea manohy fianarana. Hisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ ireo sekoly ambony ampitain-davitra izay hanampy manokana ireo efa am-perinasa nefa mbola manohy fianarana… Lalam-piofanana an-jatony no haranty amin’izany, ahitana ireo karazany rehetra mifandraika amin’ny filan’ny mpianatra. Anisan’ny sekoly ambony mandray anjara mavitrika ao ny ITU etsy Andoharanofotsy izay mampianatra momba ny fikirakirana ny informatika avo lenta manomboka ao amin’ny taona voalohany ka hatrany amin’ny taona fahefatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.