Actualités

Salon des études internationales Manome tolotra vaovao hatrany


  • Alakamisy 10 Martsa 2016

Mbola mahaliana ny tanora Malagasy mpianatra hatrany hatreto ny fandehanana manohy fianarana any ivelany.

 

 Mba ho fanomezana fahafaham-po azy ireny dia nosokafana omaly  tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy haharitra roa andro indray  ilay « Salon des études Internationales », karakarain’ny Madajeune. Nahatratra an’arivony sahady ireo tanora mpianatra tonga nitsidika tao omaly. Misy rahateo ny tolotra vaovao maro toy ny fahafahana manohy fianarana any Canada sy Allemagne ankoatra an’i Afrika Atsimo, Indonezia ary  Frantsa tolotra efa nisy tamin’ny taon-dasa. Tsy misy rahateo ny fifaninanana ho an’ireo firenena roa vaovao ireo fa rehefa mpianatra afa-panadinana bakalorea na ambonin’izay ka vonona hanohy fianarana any ivelany dia efa mety. Tanjona moa raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Madajeune ny mba  hahafahana manampy ireo tanora mpianatra hahafantarany  ireo karazana fianarana azo hatao any ivelany hanatsarana kokoa ny hoavin’izy ireo.2.000 Ar ny vidim-pidirana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT