Actualités

Salon de la recherche Hampifanatona ny mpandraharaha sy ny mpikaroka


  • Talata 13 Oktobra 2015

Hotanterahina ny 15 sy ny 16 oktobra ho avy izao eny amin’ny Esplanade Ankatso indray ilay « Salon de la recherche au service de l’économie et de l’émploi » andiany faharoa karakarain’ny Oniversiten’Ankatso sy ny FIVMPAMA ary ny birao iraisam-pirenena momba ny asa.

 

 Mpikaroka miisa 72 no handray anjara amin’izany, hotronin’ireo mpandraharaha ara-toekarena miisa 31 ka ny tanjona dia ny mba  hahafahana mampifanatona ny roa tonta entina hanomezana asa ireo tanora tsy an’asa marobe  eto amintsika. Ireo mpandraharaha afaka hahita ny filany amin’ireo voka-pikarohana hataon’ny mpikaroka raha afaka hanome tanana kosa ireto farany ho fampandrosoana ny firenena. Ny volana jolay taona 2014 no andiany voalohany tamin’ity hetsika ity raha tsiahivina ka olona maro no efa nahita asa tamin’izany. Nomarihin-dRabemanantsoa Rocquie, filohan’ny komity mpitantana eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo no sady filoha mpikarakara moa fa fotoana iray hahafahana manome lanja ny voka-pikarohana ihany koa ireo roa andro ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT