Hotanterahina manomboka anio etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely haharitra roa andro ilay Salon de l’orientation et guides des études Supérieures ‘T’aratra »
andiany fahefatra karakarain’ny Ajeem Madagascar hiarahany amin’ny sekoly ambony tsy miankina GSI sy ny CNTEMAD. Hiavaka ny hetsika satria hisy ny fiofanana maimaimpoana ho an’ny tanora rehetra momba ny PAO, Infographie ary ny Montage. Hisy ihany koa ny fifaninanana mikirakira sary sy shooting maimaimpoana arahin’ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo tanora 30 isa sangany sy tsara vintana avy amin’ny GSI. Lalam-piofanana miisa fito no azony arahina amin’izany toy ny Multimedia et Communication, ny Informatique, ny BTP, ny droit, Tourisme sy Paramed ary ny Management,. Hisy ihany koa ny fanaovana wifi maimaimpoana mandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.