Actualités

Salon de l’interpretariat et langue internationale Hetsika entina hampahafantarana ny kolontsaina malagasy


  • Sabotsy 19 Martsa 2016

Tanterahina etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely nanomboka omaly haharitra roa andro ilay hetsika « Salon de l’interpretariat et langue internationale » andiany fahadimy karakarain’ny AJEEM ( Association des jeunes Enseignants et étudiants de Madagascar).

 

Sekoly fianarana teny vahiny am-polony eto an-drenivohitra no mandray anjara amin’izany izay vonona ny hanome fampianarana teny vahiny ho ana olona 30 isa tsara vintana tonga mitsidika ny hetsika. Amin’ny alalan’ny fisoratana anarana monja no hahazoana izany. 15 isa no efa nahazo omaly raha mbola hisy 15 isa izany anio sabotsy. Tanjon’ny mpikarakara moa ankoatra ny fanomezana fampianarana maimaimpoana tahaka izao ny tanora  ny hahatonga ny teny malagasy ho lasa teny iraisam-pirenena ihany koa raha araka fanazavan’i Jen Raherinirina, filohan’ny fikambanana. Ny teny malagasy mantsy no anisan’ny teny hampiasaina mbola tara indrindra ka rariny raha hampahafantarina ny vahiny. Arahina fampahafantarana ny kolontsaina malagasy amin’ireo sekoly mampianatra ny teny vahiny ihany koa ny hetsika. Tafiditra ao anatin’izany ireo mampianatra ny teny Sinoa, ny teny Anglisy…Tanora no tena liana amin’ity hetsika  ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT