Actualités

“Salon AVENIR et FORMATION” Eny Mahamasina ny fotoana rahampitso sy ny sabotsy


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Hotontosaina etsy amin’ny Palais des Sports Mahamasina manomboka rahampitso zoma 7 febroary sy ny sabotsy 8 febroary 2020 ny “Salon AVENIR et FORMATION”,

 

 

 izay hanomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Misokatra ho an’ny mpianatra rehetra vao afaka Bakalorea sy ho an’ny tanora izay mitady as any hetsika. Ny Madajeune sy GMM, izay fanta-daza amina fikarakarana hetsika tahaka izao moa no mikarakara azy ity. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo Instituts - Ecoles Supérieures ary Centres de Formation mbola mandray mpianatra amin’izao.  Tsara raha mitondra CV fa hisy ny tolotr'asa maro mandritra ny roa andro, hoy ny mpikarakara. Hampiavaka ny hetsika ihany koa koa ny “Conférences” sy “Ateliers” maromaro izay entina hanampiana ny tanora mba hiatrehana ny hoavinao. 1000Ar monja ny vidim-pidirana hahafahana misitraka izany rehetra izany. Tan-tsoraka sy tari-dalana ho an’ny tanora no tena antony hisian’ny hetsika tahaka izao, hoy ny mpikarakara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT