Actualités

Sakoroka tao Morondava 3 maty, 11 naratra mafy


  • Alakamisy 11 Desambra 2014

Poa-basy tsy nifandrenesana tao an-drenivohitr’i Menabe omaly hariva.

Niakatra an-tanàna ireo mpiasan’ny Sucoma Analaiva nitaky ny hamotsoran’ny zandary ny naman’izy ireo efa-dahy vosambotra omaly maraina nandritra ny hetsiky ny mpiasa tao Analaiva. Tsy nahavaha olana ny fidinan’ny avy amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny minisitry ny indostria tany an-toerana manoloana ny tsy fanatanterahan’ireo Sinoa mampiasa ny fifanarahana nifanaovany sonia tamin’ny mpiasa tamin’ny volana mey 2014, ka nanohy fitokonana hatrany ny mpiasa. Mpiasa an-jatony no niakatra “ville” tao Morondava omaly. Tsy nahatohitra azy ireo ny sakana nataon’ny zandary tao Bemanonga. Nirefotra ny lakrimôzena nony teo anoloan’ny Antenimieran’ny Varotra, ny andro rahateo efa hariva, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany. Tsy hay notohaina ny mpiasa, izay hita ho tena tapa-kevitra sy feno fahavononana. Tsy nampihontsona azy ireo ny lakrymozena sy ny tifi-danitra noheverin’ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana azy ireo. Nataon’ny mpiasa fitaovana niarovan’izy ireo tena tamin’izany ny fiarabe roa mpitondra ny zanaky ny mpiasa mandeha mianatra, izay potika. Nampiasa bala tena izy ny mpitandro ny filaminana. Tovolahy 14 taona, avy nirava nianatra no niantefan’ny bala roa, teo amin’ny tratra sy ny fony, ary maty tsy tra-drano. Nisy vehivavy iray niantefan’ny bala very teo amin’ny tampon-dohany ka namoy ny ainy. Mpiasa iray tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa no matin’ny daroka nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nisy 11 hafa maratra mafy, ary mbola atahorana ny ain’ny sasany tamin’ny ora nanoratana. Nisy nanararaotra ny sakoroka ka nandroba tao Namahora. Toeram-pivarotana maro no lasibatra. Tamin’ny valo ora sy sasany alina vao tonitony ny toe-draharaha, rehefa navotsotra ireo efa-dahy voasambotra fototry ny olana. Na izany aza dia milaza ny tsy hanaiky ny havan’ny maty. Ahiana ny mety mbola hitohizan’ny fifandonana anio. Ary araka ny vaovao farany dia nandao an’i Morondava anio vao maraim-be amin’ny alalan’ny elikoptera ireo Sinoa mpampiasa tao amin’ny orinasa Sucoma mba ho fiarovana ny ain’izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT