Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-basy tany Sakaraha, afak’omaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina sy sasany.
Fiara iray nitondra mpanao safira avy nividy vatosoa niala tany Ambarinakoho hihazo an’i Sakaraha renivohitra no nisy nitifitra teny an-dalana. Mpandraharaha patirao iray, mpividy vato safira, no naratra mafy voatifitra teo amin’ny tarehiny, ka tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toliara. Raha ny fanazavana voaray dia tsy maintsy nodidiana ity mpandraharaha ity mba nanesorana ny bala tao amin’ny lohany hanavotana ny ainy. Karohina kosa amin’izao ireo jiolahy nahavanon-doza raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny fanadihadiana.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.