Actualités

SAKARAHA


  • Talata 30 Aogositra 2016

Folo be izao ny isan’ny « Police de la route » na sakana ataon’ny zandary na polisy mandrindra ny fifamoivoizana eo anelanelan’i Sakaraha sy Ilakaka, amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny.

 Halaviran-dalana 82 km no manelanelana an’i Sakaraha sy Ilakaka. Sakana iray avy ny eo Sakaraha, Andranomaitso, Antsohamadiro, Sakaviro. Misy roa ao Manombo, ary telo be izao ao Ilakaka. Miampy iray ny fisavana, rehefa sabotsy andro tsena ao Sakaraha.

SARIMIHETSIKA
Hivoaka anio amin’ny endrika kapila mangirana mba ho azon’ny besinimaso jifaina ny vokatra vaovaon’ny Scoop Digital “Adisanina copain”. Tamin’ny janoary 2016 no niketrehan’ity trano famokarana sarimihetsika Malagasy ity azy io ary tamin’ny volana aprily no nivoahany.

ANALAKELY
Manohy mivarotra hatramin’ny faran’ny taona 2016, amin’ny toerana efa nahazoany alalana ireo “Bouffe Mobile” na ireny mpivarotra hanimasaka anaty fiara ireny ka ara-dalàna, mandra-pisy fandaminana vaovao.

TOETR’ANDRO
Hitohy hatrany ny toetr’andro maloka amin’ity herinandro ity araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny mpamantatra ny toetr’andro, noho ny fisian’ny “anti-cylone” mitoetra manodidina an’i Madagasikara.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT