Niala tamin’ny fahanginany ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra (SECES) manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny tany sy ny firenena tato ho ato
. Tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Birao Nasionaly omaly, dia milaza ny SECES fa “manameloka tanteraka ireo endrika fanitsakitsahana ireo zo fototra miseho eran’i Madagasikara, ary anisan’izany ny fanitsakitsahana ny fahalalahana isam-batan’olona sy ny fahalalahana haneho hevitra”. Mampahatsiahy ny SECES fa “ny mpitandro ny filaminana dia natao ho an’ny Tanindrazana, hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy sanatria ho lasa herim-pamoretana sy herim-pamotehana”. Iaraha-mahalala, hoy hatrany ny fanambarana, fa kihon-dalana sarotra no diavin’ny Firenena Malagasy ankehitriny koa “aoka hotandrovina toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka, mba ho tena Madagasikara ho an’ny vahoaka Malagasy sy ho tombontsoa ho an’ny taranaka tokoa anie ity nosy malalantsika sy ireo nosy Malagasy”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.