Manomboka miparitaka eny an-tsena sahady amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao ireo karazan’entana lany daty, hoy Rabetsara Lita filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ( RNDC).
Anisan’ireny ny menaka, ny bisikoitra, ny vatomamy izay nomarihiny manokana fa anisan’ny tena be mpividy tokoa rehefa fety tahaka izao. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny minisiteran’ny varotra ity filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity mba hanara-maso akaiky izany. Nosinganiny manokana ny hitiliana ireo tranombarotra manaparitaka izany eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra, ny mpamatsy azy any ivelany tokony hosaziana mafy. Efa nampitondra faisana olona maro ny fihinanana sy ny fampiasana sakafo lany daty toy ny menaka rehefa fety tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.