Actualités

Sakafo any Atsimo Mamaha ny olana ny PAM sy FAO


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Eto amintsika efa ho herinandro izao ny iraka iombonan’ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) sy ny FAO (Food and Agricultural Organisation) hamaha ny olana ara-tsakafo mianjady amin’ireo mponina

 1,2 tapitrisa mahery ao Anosy sy Atsimo Andrefana. Mila tohana ara-tsakafo haingana moa ny 6 hetsy ao amin’ny distrikan’Ambovombe sy Tsihombe, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena sy fiompiana. Efa nisitraka fizarana hanina nanomboka ny fiandohan’ny taona ny 3 hetsy amin’izy ireo. Nahazo fanampiana ara-bola hividianan-tsakafo any an-tsena kosa ny 8 alina. Nomena sakafo feno otrikaina ireo vehivavy bevohoka sy mampinono miaraka amin’ireo zaza 6 hatramin’ny 59 volana. 1 hetsy ihany koa ny fitaovam-pamokarana sy masomboly vokatra ao anatin’ny fotoana fohy nozaraina hiatrehana ny toetr’andro any Atsimo. Ny zava-misy aloha dia mahalala tsara fa tsy mahay sady tsy mahavita ny mitondra vahaolana amin’ity tranga mampalahelo mahazo ireo mpiray tanindrazana ity hatreto ny fanjakana Malagasy.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT