Actualités

Sakafo amidy eny an-tsena Ho hentitra ny fanaraha-maso


  • Talata 13 Desambra 2016

Ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ireo sakafo amidy eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fety izao, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny ASCQDA

 na ilay sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana manara-maso ny maha ara-pasalamana ireo sakafo jifaina sy iveloman’ny sarambabem-bahoaka eto amintsika nandritry ny fanokafana ny androm-pirenena ho fanandratana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly. Io omaly io ihany koa moa no nanombohana ny fikaonan-doha hikarohana izay vahaolana ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana ara-tsakafo eto amintsika izay ary dia anio ny eo anivon’ity sampandraharaha ity, miaraka amin’ny minisiteran’ny fahasalamana no hamaritra na hanamafy ny marimarina kokoa izay paikady entina hampanjariana ny fahasalamana ara-tsakafo izay. Nanamafy ary ny ASCQDA fa dia tsy omena ilay sertifika fahazoan-dalana hivarotra sakafo ireo entana hotilian’izy ireo raha voamarina fa tsy ara-pahasalamana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT