Actualités

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Nikorontana ny teny Analakely manoloana ny tsangambaton-dRalaimongo sy ny manodidina omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora.

 

 

 

 Nahitana baoritra roa lehibe mihidy  tsara mantsy teny an-toerana ka samy nanahy ny amin’ny fisiana zavatra hafahafa  toy ny baomba tao anatiny avokoa  ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina. Nampandre avy hatrany ny teo anivon’ny  kaominina izy ireo ka polisy iray no tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana. Nosokafany ireo baoritra ka fa fako niampy maloto tao anaty tavoahangy no tao. Ho an’ny teny Ambohidratrimo indray kosa dia grenady miisa valo  no hita nisy nandevina tao amin’ny tokotany misy ny biraon’ny solombavambahoaka voafidy  eny an-toerana Atoa Mamy Rabenirina. Ny alatsinainy hariva teo no nahitana azy ireo ka ankizy nilalao, nangady tany no nahatsikaritra izany. Niantso avy hatrany ny rainy ireo ankizy ireo, raha vantany vao nahita vy nipoitra kinanjo zava-doza no tao ambaniny. Tsy azo nandehanana moa ny 100 metatra nanodidina ilay toerana nahitana ireo grenady ireo  vokatr’izany hatramin’ny omaly talata maraina nakan’ny mpitandro ny filaminana azy. Fantatra fa grenady efa simba izy ireo ary nentina nopotehina teny amin’ny kariera eny Ambohidratrimo ihany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT