Manomboka mirongatra mameno tanàna any amin’ny distrikan’i Toamasina II amin’izao fotoana ny karazan-tsahona lehibe na soabakaka izay antsoin’ny olona amin’ny “Radaka boka”,
noho izy somary bokaboka izay ny vatany. Sahona mety hampidi-doza izy io noho ny poizina ao aminy, ka na ny biby aza mihinana azy dia maty. Ahitana io karazam-biby mety hitera-doza io ny ao amin’ny Kaominina Ambodisaina. Miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny noho izany ny mponina satria na ny ankizy tsy mahalala mety ho lasibatra, ny fiompiana mety ho ripaka amin’izany. Ahiana hiparitaka io karazana sahona mampidi-doza io, raha tsy misy ny fandraisana fepetra haingana dia haingana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.