Actualités

Sahirana ny HAFARI Ny filoha migadra, Soaniedanana voatafika


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Mitohy hatrany ny fitazonana ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, any am-ponja.

 

 Ny 15 novambra ho avy izao indray mantsy  vao hivoaka ny didim-pitsarana  tamin’ireo karazana raharaha maromaro  nanenjehana azy  teo aloha raha  ny 12 oktobra lasa teo no vita ny fanadihadiana lalina mikasika ilay fitanana  olona  an-keriny  raharaha hafa hanenjehana azy na ilay “sequestration”. Tsiahivina fa  marary  ity filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ity amin’izao fotoana izao. Aretim-bavony sy fo mifangaro no fantatra fa  mahazo azy. Mikasika ny raharaha d’Ambohipivoarana-Soaniedanana kosa dia fantatra fa nisy nanafika ny alatsinainy alina teo ity tanàna kely iray ity, ka fianakaviana 2 no voatafika sy voaroban’ireo andian-jiolahy niisa 11 tamin’izany ka nofoanany tanteraka ny entam-barotra tao anatin’ireo trano ireo. Avotra soa aman-tsara kosa ny fianakaviana faha-3 saika hotafihin’izy ireo fa afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana haingana. Velon-taraina ireo mpifindra monina, araka izany, sady mandry tsy lavo loha.

Pati/Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT