Nahitana soritr’aretina pesta indray ny Distrikan’Andilamena, andro vitsy lasa izay. Olona miisa fito no namoy ny ainy vokatr’izany. Taorian’ny fisiana fahafatesana hafahafa tany an-toerana dia nisy fitsirihana nataon’ny Institut Pasteur de Madagascar ka voaporofo fa pesta no nahafaty ireo olona tao amin’ny Fokontany Sahavolo, Kaominina Andilamena
Mihorohoro koa ny mponina ao amin’ny Fokontany Andilamena sao ho tonga ao an-toerana ny pesta noho izy ireo tsy dia lavitra ny tanànan’i Sahavolo. Efa taona maro lasa izay no nisy tranga tahak’izao tany Andilamena, ankehitriny miverina ity aretin-dratsy ity. Fantatra fa tany amin’ny volana aogositra no efa nisy tranga nampiahiahy tany an-toerana saingy ankehitriny vao voaporofo. Tanàna somary anaty lobolobo ny Fokontany Sahavolo ka tena tian’ny voalavo izay fositra miteraka ny aretina pesta. Nisy avy hatrany ny fanentana nataon’ny miaramila ireo Fokonolona mahakasika ny fahadiovana mba tsy hiparitahan’io aretin-dratsy io. Omaly dia nidina tany an-toerana ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany nijery ny fivoaran’ilay aretina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.