Maharesy lahatra tanteraka ankehitriny fa tokony hisy fepetra ihany apetraka amin’ireo izay kandida solombavambahoaka any aoriana satria tena mibaribary ny tsy fahampiana fahalalana sy fahaizana avy amin’ny solombavambahoaka maromaro voafidy eny Tsimbazaza eny.
Ny vahoaka ve efa bado, tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasany, dia mbola olona tsy ampy fahalalana ihany ve no hisolotena azy eny amin’ny parlemanta ? Ohatra faran’ny tsotra no raisina eto anio : maro ireo solombavambahoaka niteny teny Tsimbazaza omaly no nandany andro nangataka zavatra sy fanampiana ho an’ny any amin’ny faritra misy azy ; tsy sanatria hoe tsy mety izany, saingy ny fandaharam-potoana omaly anie dia ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny parlemanta ka manana fanontaniana manitikitika azy momba ny raharaham-pirenena na ny fomba fiasan’ny governemanta ny depiote, dia mamaly sy manazava ny praiminisitra sy ireo minisitra e ! Hita taratra tamin’ny resaka teny Tsimbazaza omaly fa misy mihitsy ny depiote mety sady tsy namaky ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana (PGE), tsy mbola namadibadika ilay volavolan-dalàna momba ny tetibola 2015 ary tsy mahalala na inona na inona momba ilay politikam-pirenena momba ny fampandrosoana (PND). Tena andraikitr’izy ireo anefa no mahafantatra ireo zavatra 3 goavana ho an’ny fapandrosoana ny firenena ireo, mizara izany amin’ny vahoaka nifidy azy ary manara-maso ny fomba fanatanterahan’ny governemanta ireo na miady hevitra ny amin’ny fomba mbola hanatanterahana azy any aoriana.Tsorina ihany koa aloha fa ilay fomba fiasa mihitsy no hafahafa, raha ny tokony ho izy ary izay no ambaran’ny lalàmpanorenana dia natokana handinihana ny tetibolam-panjakana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny antenimieram-pirenena izay mandeha ankehitriny, kanefa dia misy zavatra maro be hafa misisika ao anatin’ilay fotoam-pivoriana. Ny mampanahy dia sao laniana maimaika indray fa tsy voadinika tsara akory ilay tetibolam-panjakana avy eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.