Actualités

Sabotsy Namehana Hifaly havanja


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Tsiliva, Arnaah, J-Love (Mpanakanto iraisam-pirenena), Princia, Maître Rufin, Jess Flavi One, Mijah, Kougar ary i Toyah. Ireo no mpanakanto samy goavana nofinidin’ny Metis Prod,

International Prod ary ny AS Prod, hanafana ny sehatra sy hampifaly havanja ao amin’ny Kianja Herisetra Sabotsy Namehana, ny alatsinain’ny paska ho avy izao.  I Pasitera Malokila no hiantsoroka ny fanentanana eny an-tsehatra ary hampitsinjaka eny an-tsefatsefany eny  ny avy eo anivon’ny DMC, fanta-daza amin’ny fanodinana kapila. Gadona maroloko tokoa, araka izany, no hifandimby eny an-toerana toy ny milamindamina ary mipaka hatrany amin’ireo mampitotorebika. Toky matevina no nomen’ireo mpiketrika ny “Lundi de Pâques goavam-be” izay anarana nasalotra  ny fampisehoana fa samy hisakelika haravoana ary hibaby hafaliana tsy hay ambara sy hohadinoina ny rehetra. Hifaly havanja tanteraka !!!

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT