Actualités

Sabotsy-Namehana Hahazo masoivohon’ny Paositra Malagasy


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Hanamarika ny andro manerantany ho an’ny paositra ny 9 oktobra 2015 izao ireo firenena mpikambana ao amin’ny «Union Postale Universelle» miisa 192.

 


 

Lohahevitra iombonana amin’izany ny hoe «Fanoitra fototry ny fahombiazan’ny hoavin’ny paositra ny fanatsarana, ny fandraisana anjaran’ny rehetra ary ny fiaraha-misalahy». Mpikambana feno i Madagasikara ka tsy ho diso anjara amin’ny fankalazana io daty io amin’ny alalan’ireo hetsika samihafa. Anisan’izany ny fampirantiana hajia eny amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina, ny lalao baolina kitra hifandonan’ny ekipan’i Sabotsy- Namehana sy ny Paositra Malagasy, ny fanolorana amboara ireo mpiatrika ny famaranana tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena isaky ny sampandraharaha ary ny fanomezana mari-boninahitra ireo mpiasa miaraka amin’ny fisantarana amin’ny fomba ofisialy ny tranonkalan’ny PAOMA. Hapetraka amin’io andro io ihany koa ny vato fehizoron’ny birao vaovaon’ny Paositra Malagasy eny amin’ny kaominina Sabotsy-Namehana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT