Notendrena ho talen’ny serasera ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin’ity herinandro ity ny mpanao gazety, Rufin Rakotomaharo.
Ho fanomezana aina sy ainga vao ny resaka seraseran’ny CUA no voalaza fa antony, izy rahateo manana traikefa eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety sy ny serasera ihany koa. “Chargé de Mission” ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izy mialoha izao fanendrena azy ho Talen’ny seraseran’ny CUA izao. Olona tsy zoviana amin’ny maro i Rufin Rakotomaharo na eto Madagasikara na manerana an’izao tontolo izao. Efa filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara izy. Tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy (RNM) no tena nahalalan’ny maro azy teo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao fa ny nampiavaka azy dia ny fanaovan-gazety ara-politika sy ara-panatanjahantena. Andraikitra maro no efa nosahaniny sy niandraiketany. Efa Tale jeneralin’ny Ofisin’ny Radio sy ny Televizionam-panjakana izy, mpanofana mpanao gazety manerana ny Nosy ary mbola mitohy hatramin’izao izany, noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana sy ireo fikambanana samy hafa miara-dia amin’ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Eoropeanina, ny Search for Common Ground sy ny maro hafa. Farany teo dia izy no Malagasy tompon’andraikitra voalohan’ny Centre de Presse teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia teto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.