Actualités

Ruffine Tsiranana Nodimandry tany Parisy teo amin’ny faha-80 taonany


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany tany Parisy ny sabotsy lasa teo Rtoa Ruffine Tsiranana. Zanaka vavy fahatelon’ny filoha teo aloha Philbert Tsiranana sy Justine Kalitody izy.

 

 

 

 

 Raha tsiahivina, vokatry ny aretina nahazo azy no nitarika izao fahafatesany izao. Amin’ity herinandro ity no kasain’ireo fianakaviany hoentina mody aty an-tanindrazana ny nofo mangatsiakany. Efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy izy ireo hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, efa loholona Rtoa Ruffine Tsiranana tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa minisitry ny fitsinjaram-pahefana ihany koa ny tenany tamin’ny andron’ny tetezamita. Efa nahazo ny mariboninahitra grand croix de 2 eme classe ihany koa Ratompokovavy ary efa nitantana ny antoko Psd. Administratera sivily ihany koa ny tenany, nivoaka tao amin’ny sekoly ambony Enam. Mirary fiononana feno ho an’ireo fianakaviany izahay mpiara-miasa eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT