RRI angaredon’ny Hetra, am-perinasa ireo mpanentana, nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tao Belobaka Distrikan’i Mahajanga II, ny alarobia 07 oktobra 2015.
Paik’ady 100 andro andiany faha-2 napetraky ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana isam-paritra ity RRI Hetra ity mba hampitomboana ny fampidiran-ketra isaky ny Kaominina ho 30% farafahakeliny miohatra amin’izay tafiditr’izy ireo ny volana septambra hatramin’ny novambra 2014, izay noraisina ho mari-drefy fiaingana.
Kaominina folo amin’ireo 46 misy ao Boeny no hanaovan’ny Faritra fanamby hanatanterahana izany, ka tao Belobaka, no nanombohan’ny Ekipa RRI Hetra Boeny ny fanentanana. Tanjona ho an’i Belobaka ny hampitomboana ny tamberimbidy ho 100% any amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Anjaran’ny Kaominina avy eo no mampiasa izany ho amin’izay laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ao aminy.
Ny Kaominin’i Soalala sy Matsakabanja-Mitsinjo indray no hanohizan’ny Ekipa RRI Hetra Boeny ny fanentanana angaredona ny 12 sy 13 oktobra, omaly sy anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.