Actualités

Rovan’i Manjakamiadana Mbola mistery ny mikasika ny mpandoro


  • Sabotsy 05 Novambra 2016


 

Ny 6 novambra 1995 no may ny rovan’i Manjakamiadana, izany hoe 21 taona lasa izay. Tsy mbola hita anefa hatramin’izao ny mangirana momba ny nahavanon-doza. Vokany, tsy nitoetra ara-dalàna amin’ny maha vakoka azy intsony ny harem-pirenena. Anisan’ny fitaovana iray nentin’ireo mpanohitra tamin’ny fotoan’androny hanosoram-potaka ny mpitondra tamin’izany koa io toe-draharaha nanary ny tantaram-pirenena io. Satria mpitondra tanindrana no teo amin’ny fitondrana dia natao izay nandrangitana ny avy eto afovoan-tany ary niaraha-nahita ny zava-niseho fa niala teo amin’ny fitondrany tokoa ny profesora Zafy Albert, izay filoham-pirenena tamin’ny fotoan’androny. Nahasorena  ny Malagasy rehetra tamin’ny ankapobeny io zava-nitranga io ary nahafahana nampiseho fa tsy mahavita azy ny fitondrana satria tsy maharo ny fananam-bahoaka tahaka ireny. Olona nanana tombontsoa tamin’ny nialan’ny filoha Zafy Albert izany no nahavanona ireny loza ireny. Nahoana tokoa moa ankehitriny no afenina tanteraka ny fanadihadiana mikasika ireny rova voasompatra ireny ? Ny rovan’Ambohidratrimo koa, ohatra, dia may tamin’ny taon-dasa ary nisy nangalatra ny entana tao amin’ny rovan’Antongona. Mandra-pahoviana no hajanona ho mistery ? Sa mody atao hoe tsiambaratelom-panjakana indray ?

Faralahimatoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT