Actualités

Rova Manjakamiadana Hisy « ascenseur » sy seho an-tsary mampiasa teknolojia


  • Zoma 14 Febroary 2020

Tonga nijery sy nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly alakamisy 13 febroary.

 

 

 

 

 

Mazava ny toromarika nomeny fa tsy maintsy averina amin’ny laoniny tahaka ny endriny teo aloha ny Rovan’i Manjakamiadana ary hovitaina mialoha ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena izany. Hisy kosa ireo fanavaozana hafa tsy maintsy hatao, hoy izy mba hampanaraham-penitra azy tahaka ny fahita amin’ireny trano fitehirizana vakoka any ivelany ireny. Efa vita avokoa ny asa vaventy amin’ny fanamboarana amin’izao. Nosafidiana manokana ary natao nitovy tanteraka tamin’ny temitra tamin’izany ireo hapetaka ao amin’ny rihana voalohany misy ny efitra hampirantiana ireo vakoka. Araka ny efa nambarany tamin’ny fanombohana ofisialy ny asa, dia hatokana ho toerana fanehoana an-tsary amin’ny alalan’ny “hologramme” ny tantaran’ireo Mpanjaka, ny rihana faharoa na ny antsoina hoe : « salle des scénographies ». Hohajariana ho birao sy toerana famakiana boky sy tahiry kosa ny rihana fahatelo. Notsinjovina manokana ihany koa ireo olona manana fahasembanana ka nametrahana “ascenseur” ao anatin’ny lapa mba hanamorana ny fivezivezena ao anatiny. Hatsangana eo amin’ny tokotanin’ny Lapa ihany ny “Kianja Masoandro” izay hampiaina amin’ny alalan’ny tantara an-tsehatra ny tantaran’ireo mpanjaka nifandimby. Ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana dia hamerina indray ny hambompom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ary hampahafantatra sy hamatotra antsika indray amin’ny tantara, hoy hatrany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT