Actualités

Rotsak’orana vao manomboka Betsaka sahady ireo sahirana


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Betsaka sahady ireo olona sahirana eto an-drenivohitra taorian’ny nilatsahan’ny orana ny alatsinainy teo.

 

 

 

 

 

 

 Lohalaharana ireo  faritra iva. Efa manomboka mivoaka sy miparitaka eny ivelany mantsy  ny rano maloto vokatry ny fahatsentsenan’ny lakandrano. Raha araka  ny fanazavan’Atoa Andriamanohisoa Gérard, tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany  anefa dia vola mitentina 25 tapitrisa Euros no efa nomen’ny Afd antsika hikarakarana ireny fotodrafitrasa ireny. Ho an’ny lakandranon’Andriantany dia fotaka 60.000 m3 no efa nalana tao raha 80.000 m3 no totalin’izy rehetra. Efa  niroso tamin’ny fikarakarana ireo lakandrano ao Ampefiloha ihany koa  izy ireo  ankoatra ny fanamboarana ireo station de pompage izay misintona ny rano maloto avy amin’ireo faritra iva… Ho an’ny etsy Analakely indray dia ilaina ny fanalana ireo mpivarotra sasany  amin’ny toerany hahafahana manadio ireo lakandrano mitondra ny rano maloto. Toerana telo no tena maika toy ny etsy amin’ny pavillon, eo amin’ny vavahadin’ny  lapan’ny tanàna ary ny eo amin’ny Itokiana. Telo herinandro no hanaovana ny asa koa hiantsoana ny kaominina hiarovana ny mponina amin’ny tondra-drano.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT