Actualités

Rotsak’orana Mbola hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Mbola hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro ny ranon’orana eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

 

 

 

 Isan-kariva sy ny alina no hisian’izany izay tokony hitsahatra amin’ny 12 ora alina hatrany amin’ny ankapobeny. Tsy voavinavina anefa iny orana nitranga omaly maraina hatramin’ny 07 ora iny hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr’andro noho ny antony maro samihafa. Na izany aza anefa dia nomarihin’izy ireo  fa somary ho maina kely ny  andro amin’ny alakamisy 14 febroary ho avy izao, fetin’ny mpifankatia ary hiverina hirotsaka indray ny ranon’orana ny andron’ny zoma. Notsiahivian’ny  sampana mpamantatra ny toetr’andro moa fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny aty fahavaratra isika ankehitriny, fotoana tena mahabetsaka ny ranon’orana ka tokony samy ho mailo ny tsirairay.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT