Nampitandrina omaly ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro fa ahiana ny fiakaran'ny rano anio 11 janoary satria hahitana rotsak'orana betsaka iny faritra iny.
Nihoatra ny 100mm/tao anatin’ny 24 ora, izany hoe ao anatin’ny 24 ora, dia mety hahatratra 100 litatra/m2 ny rotsak'orana afovoany atsinanan'ny nosy iny, araka ny vina. Ahiana noho izany ny fiakaran'ny renirano, ny tondra-drano amin'ireo faritra iva, ary eo koa ny mety ho fihotsahan'ny tany. Voakasik’ity fampitandremana ity ny any amin’ny faritra Mangoro, Atsinanana ary Vatovavy Fitovinany ka tokony hitandrina sy samy haka ny fepetra tandrify azy hiarovana ny ainy sy ny fananany ny tsirairay avy. Tena fahendrena ho an’ireo mipetraka amin'ny faritra iva, dieny izao, ny mitady toerana azo antoka, toy izany ihany koa ireo mipetraka amin'ny faritra avo, ka ahiana hihotsaka ny tany. Tsy mbola nisy ny fampitandremana ho an’Analamanga fa na izany aza dia natevintevina ihany koa ny rotsak’orana naharitra ora maro omaly hariva sy halina, ary efa maro amin’ireo faritra iva eto Antananarivo no manomboka feno rano tahaka ny eny Anosibe, Andavamamba, Ampefilohakely, Ilanivato, Besarety, Andravoahangy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.