Actualités

Rotaka tany Maroantsetra Olona 3 naratra voatifitra


  • Alakamisy 15 Septambra 2016

Nisahotaka ny tao Maroantsetra omaly. Adin’ny samy mpibizina no niteraka sakoroka. Raha ny fanazavana avy any an-toerana dia mifampitory eo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana amin’ny resaka vola ingahy Besoa Eric sy Rodrigue izay samy mpandraharaha lavanila. Ity farany moa ben’ny tanàna teo aloha ihany koa.

Resaka trosa teo amin’ny roa tonta no niandohan’ny olana ka nahatonga an’ingahy Besoa Eric nitory an’ingahy Rodrigue teo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna tany an-toerana. Tonga hatrao Toamasina ny raharaha, ka nahatonga ny fitsarana ambony tao Toamasina naniraka polisy misahana ny raharaha ady ara-bola sy ara-toekarena handamina ny raharaha hisambotra sy hanao fanadihadiana an’ingahy Rodrigue.

 

Fandrahonana ho faty

Nampiharina io ny talata teo saingy nampirongatra ny ekipan’ingahy Rodrigue ka niteraka sakoroka. Nisy ny fanafihan’izy ireo ny kaomisaria tany an-toerana namoahana an’i Rodrigue. Taorian’izay ny fidinana tao amin’ny fitsarana saingy efa tsara ambin’ny zandary ny tao ka tsy tafiditra ireo andian’olona. Tsy afa-po tamin’izany izy ireo ka nitanjozotra nihazo ny distrika, ary nodoran’izy ireo ny antontan-taratasy maromaro. Olona 3 no naratra noho ny tifitra nahazo azy ireo. Milamindamin-dratsy ny ao Maroantsetra omaly tolakandro sy ny alina, na eo aza ny fandrahonana ho faty ireo polisy nisambotra sy manao fanadihadiana an’ingahy Rodrigue sy ny tonia mpampanoa lalàna any an-toerana. Misy ny fiarovana azy ireo manokana amin’izao fotoana.


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT