Betsaka ireo karazan'aretina tsy sitram-panafody amin'izao ka mampipenimpenina fatratra ireo sendra izany. Lohalaharana amin'izany ny aretin'ny homamiadana izay efa nandanian'ny sasany ny fari-pananany mihitsy saingy tsy nahitam-bokany ihany. Tsotra anefa ny fanafodin'izy ireny raha araka ny fanazavan'i Dadamanana etsy Ambodivona.
Ronim-bolafotsy monja no ampiasaina, hoy hatrany izy dia efa afaka mahatoky ny marary iray fa ho sitrana tanteraka. Amin'ny tavoahangy mirefy 30 sl izy io, sotroina eran'ny sotro lehibe na kely, hajanona ao ambany lela mandritra ny iray minitra ary atelina avy eo. Ora iray mialoha ny hisakafoanana no hisotroana azy io na ora roa aorian'ny fisakafoanana. Ny karazan'aretina rehetra dia sitran'ny ronim-bolafotsy, hoy hatrany i Dadamanana. 15.000 Ar ny vidin'ny tavoahangy iray mirefy 30 sl, raha misy hafa ihany koa ny fampiasana azy, miankina amin'ilay aretina. Nanaovan'i Dadamanana fikarohana mihitsy io resaka ronim-bolafotsy io raha araka ny nambarany. Fony izy mbola kely mantsy ka tratra ny aretina angorongosy, hoy hatrany izy dia ronim-bolafotsy no nitsaboan-drenibe sy ny reniny azy, antony nanaovany fikarohana mikasika azy io ary hizarany ny soa azo avy amin'izany ho an'ny mpiara-belona. Mandray marary hatrany i Dadamanana isan'andro. Olona marobe no tonga ao aminy isan'andro ary efa nisy koa ireo olona voan'ny SIDA nanatona azy ka sitrana. Nambaran'i Dadamanana moa fa na dia ronim-bolafotsy aza no hitsaboana dia misy koa ireo karazan-tsakafo fady azy toy ny hena, ny karazan-tsakafo vita amin'ny ronono izay tena sakafon'ny homamiadana sy ny fibrome. Tsara ny mampahatsiahy fa mpampianatra mpikaroka ny lehilahy. Mpampianatra ny taranja fizika eny Ankatso izy raha mbola izy ihany koa no nanao ny energie solaire voalohany teto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.